Amin`izao fotoana izao aloha dia somary azo lazaina fa mangingina ny eto an-tanana, raha toa andrenesam-peo ihany ny mpanohitra.
Ny avy ao amin`ny fitondrana koa revo eo amin`ny asany. Aiza avokoa ireo antoko politika maherin`ny 200 isa ? Enga anie ka tena fahanginana hitondra ho any amin`ny fampandrosoana sy fahatsiarovan-tena. Hatrizay mantsy vao misy trangan-javatra toa ireny dia maneho ny heviny avy hatrany ireo mpanao politika na manohana na mitsikera izay tsy mety. Sarotrarotra ihany no hino an`izany satria ny eo amin`ny tontolo politika mantsy, matoa tsy miteny dia efa nahazo tambiny na mbola ampanantenaina tambiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.