Politique

Antoko politika DHD “Vitsy fa misy ny mpanao politika marina eto”


  • Alatsinainy 04 Oktobra 2021

Tsy ny politika no ratsy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika, Dina maha olona sy demokrasia na DHD. Siansa iray entina mitantana fanjakana na fitondrana izy io,

 hoy ny filohan’izy ireo, Harinaivo Rasamoelina. Io siansa io no mametraka ny karazana vinam-piarahamonina mifanaraka amina fotokevitra iray. Izy koa no mamaritra ny lalana hakana fahefana mba hahafahana manatanteraka ny vina voapetraka. Siansa mitaky fomba fiaina, fomba fisaina ary fomba fiasa maty paika ny politika. Tsy politika ny lainga fa lainga. Tsy politika ny halatra fa halatra. Tsy politika ny famitaham-bahoaka fa famitaham-bahoaka. Tsy politika ny kolikoly fa kolikoly. Vitsy ny mpanao politika marina eto amintsika. Vitsy ny olona mifototra sy miaina amin’ny ampahany betsaka ny atao hoe fotokevitra. Vitsy fa misy. Anjarantsika no mandalina sy manaraka ny toe-draharaha. Anjarantsika ny mametraka ny mpitondra antsika araka ny fotokevitra sy vina, hoy hatrany ny DHD.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT