Ho tanterahana any Toliara ny volana oktobra 2022 ny kongresin’ny Antoko politika Avotse Tanendraza Madagasikara na ATM sy ny fankalazana ny 5 taona nijoroany,
rah any tapaka nandritry ny fivorian’izy ireo ny 27 aogositra teo. Ny Antoko dia mbola manamafy ilay fangatahany mitondra ny laharana 2021/03/A.T.M/FN tamin'ny 29 aprily 2021 hanatanterahana fivoriana manokana na “Conférence spéciale" mahakasika ny Fasi-mainty ao Ranobe Ankilemalinika. Mihevitra ny Antoko fa tokony ho anisan'ireo lahatr'asa laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana izany. Ny Antoko A.T.M dia manaiky fisokafana amin'ireo lafin-kery rehetra manaja ny sata maha tany Repoblikanina an'i Madagasikara, ny maha firenena iray tsy mivaky ny vahoaka malagasy, ny demokrasia, ny tany tan-dalàna (légalité), ny safidim-bahoaka (Vérité des urnes) sy ny fifandimbiasam-pahefana (alternance douce) eto amin'ny firenena. Tokony haverina ho jerena indray ny fanatsarana ny “code electoral” mba hananantsika olom-boafidy tena voafidy marina (un élu bien élu). Heverin'ny Antoko A.T.M fa ny fiverenana ny fampiasana “bulletin individuel" na an’olon-tokana dia hampihena ny hala-bato mba ho valim-pifidianana manakaiky ny marina. Tsapa sy hitan'ny antoko fa misy fomba fangalaram-bato tsy ampoizin'ny be sy ny maro ny amin'ny fampiasana “bulletin unique” na boleta tokana. Ny « Bulletin individuel » kosa dia kely ny tahan'ny hosoka na « taux de malfaisance » raha ampitahaina amin'ny « bulletin unique ». Ho ampahafantarin'ny antoko etoana tsy ho ela ireo tetika sy fombafomba tena ratsy ataon'ireo mpivily sy mpanova ny safidim-bahoaka eto amin'ny Firenena. Hisy “exercice de simulation” na sarin-tseho ho aseho momba izany, hoy hatrany ny ATM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.