Politique

Antoko Otrikafo “Tsy azo adinoina ny France Afrique sy Big pharma”


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Efa asan’ny tambazotra France Afrique, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo ny fifofoana na famonoana mihitsy ireo filoham-pirenena na fanjakana afrikanina hitan’ny fanjakana frantsay

 fa mety tsy hifanaraka aminy intsony. Tranga farany izao ny saika nahazo an’I Assimi Goïta, izay mitondra ny tetezamita atsy Mali, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Saika nisy nanatsatoka antsy io satria tsy ankasitrahan’ny frantsay. Hitantsika koa ny tao Tchad. Novonoina i Idriss Déby dia ny zanany ihany no nasolo azy. Tohanan’ny frantsay io zanany io amin’izao fotoana izao. Niarahantsika nahita koa moa iny ny nahazo an’i Jovenel Moïse tany Haïti vokatry ny resaka hoe tombontsoa Amerikanina sy Kanadianina. Ny tsy fantatry ny mpitondra Malagasy dia ny hoe hatraiza no mety fandraisan’ny mpitondra Frantsay ny firesahan’ny filoha Malagasy ny nosy manodidina izay noheveriny fa hampiakatra ny fitiavan’ny Malagasy azy? Aza adino ihany koa fa na ireny resaka CVO ireny aza, na mahomby io na tsia, dia hahasosotra ny Frantsay raha tany toa an’I Madagasikara na mpitondra Malagasy no hiana-kendry hilaza fa nahita tambavy hasolo ny vakisiny noforonin’ireo mpikambana anaty Big Pharma ireo. Izany rehetra izany no mila fiomanana mialohan’ny hitondrana firenena sy mila fijerena ekipa satria raha mety manana finiavana hiala amin’ny Frantsay tokoa ve ny filoham-pirenena dia vonona hitsipaka izany tombontsoa frantsay izany ny ekipa manodidina azy? Tsy mahagaga raha mikorontana ny firenentsika. Mikorontana ny mpanohitra sy mpitondra satria misy tombotsoa miisa 2 miady ao, hoy hatrany ny Otrikafo, ary anjaran’ny vahoaka Malagasy amin’izay no mandray lesona hoe karazana mpanao politika no mety hiaro ny tombontsoany marina amin’ny sisa satria raha izao zava-misy izao tsy hahitana izany mihitsy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT