Politique

Antoko Otrikafo “Tratraro ny trondro vaventy fa tsy pirina fotsiny”


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Hitantsika fa mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fiandohan’ny taona izao,

 

 

 

 

 hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika, Otrikafo, naneho ny heviny mikasika ny raharaha volamena tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy ny sabotsy teo. Mazava fa niainga teto Madagasikara iny volamena 73,5kilao tratra tatsy Afrika atsimo iny, izany hoe harem-pirenena Malagasy. Mihazakazaka ny fanadihadian’ny PAC an’ireo lazaina fa voasaringotra amin’io raharaha io. Olona eo amin’ny 11 isa no fahafantaranay azy, izay heverinay fa tsy trondro madinika akory anefa fa tena pirina mihitsy fotsiny ao anatin’io raharaha io angamba. Tsy ireo ihany no haverinay Otrikafo fa hahavita hamoaka harem-pirenena goavana toy ireny fa tambazotra matanjaka be. Fa maninona ny ACM no nilaza fa tsy nahalala ny fivoahan’iny fiaramanidina iny? Nanao inona ny fadin-tseranantsika sy ny PAF ? Tena ireo voasaringotra ireo ve no atidoha nikotrika sy tompon’ny entana? Raha tena manam-piniavana hamongotra ny famoahana harem-pirenena an-tsokosoko na fanaovana tantely afa-drakotra izany fitondram-panjakana dia tratraro hatramin’ny trondro vaventy na iza na iza ary omeo ny sazy sahaza fa tsy ny pirina fotsiny no atao izany. Alefaso lavitra ny fanadihadiana! An’iza ilay fiaramanidina sy ilay kaompania? Iza no atidoha sy nanome baiko? Ny fitondram-panjakana tsy sasatra manao androrosy sy mangataka any ivelany nefa ny harentsika ireny no anaovana azy, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT