Nisy ny fitoriana izay nataon’ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo teo
anivon’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly na PAC mikasika ny resaka “doublon” sy kara-panondro tamin’ireo fifidianana nisy teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2012, hoy ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy Andravoahangy omaly. Ny 28 febroary 2020 teo no nisy ilay fanambarana nataon’ny filoha lefitra voalohan’ny CENI, Thierry Rakotonarivo, nilaza hoe nisy verin-droa be dia be tamin’iny fifidianana iny na tamin’ny laharan-karam-panondro izany na tamin’ny lisitry ny mpifidy 2018. Efa nanomana fitoriana mikasika ireny tamin’izany ny Otrikafo saingy niditra moa taoriana kelin’izay ny Covid 19 dia najanonay teo aloha ilay fitoriana. Efa vita amin’ny ampahany betsaka ankehitriny ny ahamehana ara-pahasalamana dia miverina indray amin’ny fikitihana iny dosie iny izahay. Ny fifidianana nanomboka ny 2012 ka hatramin’ny 2019 dia voakasiky ny tsy fahadiovana avokoa. Zon’ny olompirenena rehetra tafiditra anaty lisi-pifidianana ny mametraka fitoriana rehefa misy ilana izany. Resaka hosoka sy fampiasana hosoka no anton’ny fitorianay ary tsy mitonona anarana satria izany kolikoly amina fifidianana izany dia tambazotra fa tsy vitana olona iray. Somary nanaitra ny valintenin’ny filohan’ny HCC hoe raharaham-pirenena ity fa tsy kilalaon-jaza. Miheritreritra ny vahoaka Malagasy ho zaza ve ny filohan’ny HCC? Tadidio fa tsy ny Otrikafo sy sehatra politika ihany no niady hevitra fa ny vahoaka koa dia niresaka momba ny tsy fahadiovana manodidina ilay fifidianana. Eo koa ilay hoe fa maninona no nosoniavin’ireo delegen’ny mpifidy ny PV raha tsy nadio ny fifidianana? Hoy izahay hoe olon-dehibe tokoa ilay miresaka ary samy nahatsiaro ny tantara isika fa taorian’ny fifidianana ny zavatra nolazain’i Thierry Rakotonarivo, hoy hatrany ny Otrikafo. Mila miheritreritra, hoy izy ireo, ny raiamandreny rehefa sahy mananatra azy ny zanaka satria misy antony ao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.