Politique

Antoko Otrikafo « Mila mpitondra mahalala ny olan’ny fireneny ny vahoaka »


  • Talata 01 Septambra 2020

Manahirana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Otrikafo.

 

 

 Azo itarafana izany ireo teboka niteraka resabe tato ho ato. Ny mahagaga anefa dia toa zary lasa adihevitra mandalo fotsiny ny ankamaroan'ireny fa toa zary manjavona ho azy sy lasa sary indray mipika ka tsy hita izay niafarany. Ohatra azo raisina ny momba ireo nosy malagasy fa tsy maintsy miverina amin’ny malagasy mialohan’ny 26 jona, hoy ny filoha Andry Rajoelina, nefa mandrak’anio tsy hita izay niafarany. Ny mpitondra rahateo nangina tsy nitondra fanazavana akory. Eo koa ny resaka Colisée sy Gasycar sy ireo maro hafa. Ny vahoaka koa moa tsy dia taitra firy intsony amin’ny tranga sahala amin’izany vokatry ny fitaizana sy fomba fanao politika maloto nataon'ireo mpitondra nifandimby sy ny ankamaroan'ireo mpanao politika malagasy. Zava-doza ho an’ny taranaka raha sanatria tsy sarotiny amin’ny fiainam-pirenena ny vahoaka Malagasy satria samy hanao izay danin’ny kibony avokoa izay mahazo fahefana, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Elia Rabehavana. Ny vahaolana atolotry ny Otrikafo dia hoe mila manara-maso akaiky sy sarotiny amin’ny harem-pirenena ny vahoaka Malagasy. Matoa mandroso ny firenena hafa dia noho io fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso akaiky ny fihetsika sy ny asa ataony mpitondra ao aminy. Mila mpitondra mahalala ny olan’ny firenena sy ireo vahoaka entina ihany koa isika. Sarotra ny hisian’ny fandrosoana raha tsy mifanojo ny politikan’ny mpitondra sy ny filan’ny Malagasy, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT