Mandalo eto Madagasikara ankehitriny ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Jean Yves Le Drian,
ka heverinay fa anisan’izay anton-diany, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo, ny mikasika ireo nosy manodidina. Heno farany fa miandry fotoana indray ny fifampidinihana manaraka momba izany. Ny filoham-pirenena nampanantena fa alohan’ny 26 jona no miverina amintsika ireo nosy ireo. Ny frantsay anefa manamafy ny fanagiazany ireo nosy ireo, raha ny zava-nisy tamin’ny herinandro. Miantso ny herivelona rehetra, noho izany, ny Otrikafo amin’ity anio ity haneho firaisankina manoloana ny ambasady frantsay ka hitondra sorabaventy fa tsy manaiky ny fanitsakitsahana an-tampon-doha ny Malagasy ataon’ny frantsay ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.