Politique

Antoko Otrikafo “Mamotika ny IMRA ny fitondrana raha mihemotra eo’’


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Izahay eto anivon’ny antoko politika Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, dia efa ela no niresaka manana tombony betsaka isika amin’ny fananana ireo ravinkazo na raokandro azo hitsaboana ireo aretina misy eto Madagasikara.

 

 

 

 

 

Aoka tsy ho adino fa ny Ntaolo malagasy dia tao anatin’izany no niaina. Mbola tsy nisian’ny resaka fanafody voahodina tahaka itony izany. Vokatry ny fikarohan’ny mpikaroka malagasy izay miainga avy ao amin’ny IMRA moa izany dia nivoaka ny atao hoe COVID Organics, izay fanafody natao hiarovana na koa handresena ity COVID 19 miparitaka eto Madagasikara ity. Izahay manokana, hoy ny Otrikafo, dia mampirisika mihitsy ary hoy izahay hoe isan’ny firenena heverina ho tokony sangany ny malagasy amin’ny fananana io COVID Organics io satria hatreto dia tsy mbola misy firenena na iray aza manana fanafody hisorohana an’io COVID 19 io. Na izany aza dia fanontaniana mipetraka ny hoe vonona hiady amin’ny sehatra iraisam-pirenena ve ny fitondram-panjakana satria namaky ady tamin’ny sehatra iraisam-pirenena izy raha tsy niandry ny faneken’ny OMS iny vokatra iny, hoy hatrany ny Otrikafo. Sao mantsy dia ho toy ny resaka nosy malagasy sy izay nitranga tamin’ny Profesora Zaraniaina raha nanana porofo fa manana fanafody fanefitry ny Sida tamin’ny fotoan’androny, hoy izy, ka ireo vahiny indray avy eo no manao fanambarana fa manana ilay fanafody. Aza adino fa tsy ny fitondram-panjakana no nahita ny fanafody fa ny IMRA ka raha sanatria mihemotra eo indray ny fitondram-panjakana dia ilay orinasa sy marika malagasy IMRA mihitsy no potehiny amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT