Politique

Antoko Otrikafo « Andao ravana ny CENI »


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Tsy zava-baovao teto amin’ny firenena ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo.

 

 

 Raha hiandrandra ny CENI hanatontosa fifidianana tomombana isika dia hanonofy hatrany, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Elia Rabevahiny. Ny naha hafa kely ny tamin’ity fotsiny dia io kaomisionina misahana ny fifidianana io mihitsy no nilaza izay tsy fahatomombanana tao anaty fifidianana izay. Fotoana tokony hakantsika lesona izao satria afaka 5 taona isika dia hanao fifidianana indray. Tena ilaintsika marina ve ny CENI ? Rafitra napetraky ny sehatra iraisam-pirenena aty amin’ny tany voazanaka io ahafahany miditra aty fa aza adinoina. Raha tiana ny hiala amin’izay fitsabahan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny raharaham-pirenentsika izay, hoy hatrany ny Otrikafo, dia andao ravana ny CENI. Andao haverina amin’ny minisiteran’ny atitany ny fikarakarana, hoy ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT