Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra fa ity resaka Covid 19 ity, ny antoko politika Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny.
Tsy navalona akory ny fitakiana ireo nosy Malagasy fa mitohy ny tolona ary tsy hihemotra izahay. Ny zava - misy aloha izao no tsy ahafanay manoatra, hoy izy. Misy indray izao ny fitohizany fizarana ilay tosika fameno ka eo indrindra no mahagaga anay satria “jeton” indray izany no zaraina. Ny fanontaniana dia hoe angaha moa mitovy ny olan’ny tokantrano Malagasy ? Ny sasany mety sakafo no manahirana azy fa ny an’ny hafa kosa mety zavatra hafa. Ny dikan'izany, hoy ny Otrikafo, dia hoe tokony averina lelavola ihany ilay izy fa tsy mety io ary tokony tsy anavahana koa satria rehefa tonga ny amin’ny 12 ora dia samy mihiboka daholo. Raha tena omena lanja ny fokontany dia milamina io. Omeo azy ny fandaminana rehetra dia mivaha io. Raha lelavola, ohatra, no atao dia aleo anjaran’ny fokontany no mizara azy isan-tokatrano fa mila atao mafy fotsiny ny fanaraha - maso ary omeo fankasitrahana manokana koa izy ireo mba hampazoto azy dia milamina io, hoy hatrany ny Otrikafo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.