Eto am-pelatananay ny "accords franco-malgaches" nifanaovan'i Lafrantsa tamin'ireo mpitondra izay napetrany ihany na dadabe Tsiranana tamin'izany fotoana izany talohan'ny nanomezany ny fahaleovantena sarintsariny, hoy ry zareo eo anivon’ny antoko politika Otrikafo.
Izy ity moa dia tsiambaratelom-panjakana tamin'izany. Maromaro ny voalaza ao fa ny fehiny dia hoe nanaovan'ny Lafrantsa fifanarahana avokoa ny lafin-javatra rehetra eto Madagasikara mitohy mandrak’ ankehitriny. Izay filoha napetraky ny vahiny eto dia tsy maintsy manaraka io fifanarahana io. Ny vahiny hoy izahay satria efa mizara ho be dia be ny tombotsoa eto fa mbola lohalaharana i Lafrantsa. Anisany tena mampahantra antsika Malagasy io indrindra ny ifehezan'ny vahiny ny toekarentsika. Eny tokoa, fa tsy hita maso izany rehetra izany ary toa voizin'ny vahiny mafy mihitsy ny hoe raha mahantra ny malagasy dia nohon'ny toe-tsainy. Ilay Malagasy ve nanana fahafahana hatramin'izay teo amin'ny taniny? Ady amin'ny fampahantrana fa tsy fahantrana no ho ataontsika ka manasa ny rehetra, hoy izy ireo, hanatrika ny ady hevitra momba izany ao amin’ny foiben’ny Otrikafo Andravoahangy ny marainan’ny sabotsy izao manomboka amin’ny 10 ora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.