Ny olona niresaka fotsiny no niova. Raha filoham-pirenena no hita isaky ny 15 andro dia lasa praiminisitra izany ny alahady teo, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora.
Tsy misy antenaina sy zava-baovao. Tsy mamaly ny filam-bahoaka ny fepetra apetraky ny fitondram-panjakana, hoy ny filohan’ny antoko, Rencho Mihari Ni. Apetraka ny fepetra hoe hatramin’ny 5 ora. Tsy mahavaha ny olana ahafahan’ny vahoaka mandraharaha amin’ny asa fivelomany. Tadidio fa misy olona miasa manomboka amin’ny 6 ora. Na inona na inona dia mihena ny fahefa-mividy ary miha sahirana ny vahoaka. Efa nanome arotava ny olon-drehetra ve ny fanjakana? Nahazo tosika fameno ve ny rehetra? Maninona ny fanjakana tsy sahy miteny hoe tsy misy fanadinana ary foana ny taom-pianarana amin’ity fa ny 2020 – 2021 no ho jerena fa lasa sady mitebiteby saina ny ray aman-dreny no mamely ny aretina? Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny voan’ny COVID 19 satria tsy misy fifehezana fifamezivezena izany eto Madagasikara. Ny mpitondra izay tokony hanome ohatra aza 50 isa mahery tamin’ny matso, hoy hatrany ny Natiora. Ny vahoaka foana no ampitahorina ary tsy vitan’ny tsy misitraka feno ny zony fa miha marefo foana. Vahao tanteraka ny fihibohana satria efa hoe samy miaro ny tenany ihany. Ny fanjakana tsy misy antenaina aminy, hoy hatrany ny antoko.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.