Efa nametraka hatrany am-boalohany ny antoko politika Natiora fa tsy misy na inona na inona antenainay amin’ity fitondrana ity, hoy ny filohany, Ni-Rencho-Mihari.
Hita izao fa tsy voafehy ny resaka Coronavirus ary tsy tokony ho menatra ny fitondram-panjakana satria maneran-tany samy nisy maty betsaka tamin’izy io sy voa. Saingy ny eto angamba misy kajy politika dia lazaina fa voafehy. Ny fifehezana azy teto dia aza adino fa raha 50 isa no voa tany am-boalohany dia nihiboka isika tamin’ny 1 ora. Tonga tany amin’ny 100 mahery tany dia hatramin’ny 3 ora. Rehefa nisy maty dia hatramin’ny 5 ora. Izany hoe tsy nisy mihitsy ny fifehezana azy io hatrany am-boalohany, hoy hatrany ny Natiora. Ilay vahoaka mihitsy no atao takalon’aina. Tao anaty 48 ora dia betsaka no voa teto Antananarivo ny faran’ny herinandro. Ny ampitson’iny indray dia mbola Antananarivo ihany. Hovonoina ve ny vahoaka, hoy ny filohan’ny antoko? Misy ny 4x4 nefa Kalesa no hitondran’ny sasany marary. Ny mpitondra irery sisa tsy marefo eto. Tokony hiteny hoe tsy vita ny fitondram-panjakana dia hiantso ny herivelona rehetra hifanome tanana aminy, hoy ny Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.