“Showbiz” ny fitondram-panjakana amin’izao ity resaka olana niainga tamin’ny kara-panondro miisa 1.162.000 ity, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho.
Na inona na inona ataon’ny minisiteran’ny atitany dia ao no tomponandraikitra voalohany mikasika ny kara-panondro. Tsy afa-miala amin’izany ny minisiteran’ny atitany. Be dia be no tsy ara-dalàna tao anatin’ny fifidianana nanomboka tamin’ny fihodinana voalohan’ny filoham-pirenena. Tao anelanelan’ny fifidianana solombavambahoaka izahay dia efa niteny hoe jereo ny lisi-pifidianana, diovy aloha. Ny navalin’ny CENI dia hoe tsy azo kitihina ny lisi-pifidianana raha tsy manomboka amin’ny volana desambra ka hatramin’ny 15 mey 2019. Misy anefa ny atao hoe ankamehana ary ny lalàna dia nataon’olombelona. Azo kitihina io, noho izany raha hanatsarana zavatra. Fikambanana maro no nangataka an’izany saingy mbola nanizingizina sy nanatanteraka fifidianana ihany ny CENI ary nahatonga ny korontana taorian’ny fifidianana. Nitohy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna izany saingy mbola teo ihany no teo ka tsy ho afa-bela amin’io ny CENI, hoy hatrany ny antoko Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.