Politique

Antoko Natiora “Tokony mba jerena ihany ny CV an’izay ho depiote”


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Tsy tokony ho adino, hoy ny antoko politika Natiora, fa miditra amin’ny andiany

 

 

 

 faharoa ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Nozaraina CVO sy CVO+ ve ny Malagasy? Nilaza ny filoham-pirenena fa efa niala tamin’ny hahamehana isika saingy mbola tazomina ny fepetra ara-pahasalamana. Na ny fitondram-panjakana aza anefa tsy manaja ilay iray metatra. Ny mpanohitra rehefa hanao fihetsiketsehana anefa dia rarana. Na ny resaka fety sy lanonana anefa mihoatra ny 200 ny isa. Ilay mpanakanto avy any ivelany iny nanoroka izay sendra azy teto. Tompon’andraikitra amin’ny fiparitahan’ny Covid 19 indray aminay ny fitondram-panjakana. Isan’ny manao takalon’aina na “genocide” izany aminay. Aza asiana tombo sy ala izy ity, hoy hatrany ny Natiora, fa na foanana tanteraka hatramin’ny fepetra na averina ny hahamehana. Isan’ny mampalahelo koa ilay maheno depiote miteny hoe tokony ny antenimieram-pirenena sisa no mandinin-dalàna eto satria efa tsy tokony hiasa intsony ny antenimierandoholona fa efa akaiky ny fifidianana. Mba tokony jerena ihany, hoy ny filohan’ny Natiora, Mihari-Ni-Rencho, ny CV na mombamomba ireo milatsaka depiote mialohan’ny hamelana azy ireny hilatsaka amin’ny sisa fa maha menatra. Amin’ny febroary 2021 no tapitra ny fepotoam-piasan’ireo loholona, hoy ny Natiora.

J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny Natiora

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT