Ao anatin’ny fijaliana tanteraka ny malagasy izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Rencho Mihari Ni.
Tsy araka ny niheverana azy ny fitantanana ireo famatsiam-bola avy any ivelany hiadiana amin’ity Coronavirus ity. Tsy voafehin’ny fanjakana ilay valan’aretina. Izany voafehy izany aminay Natiora dia tsy mitombo ny marary sy maty. Mijaly ny vahoaka satria na hatramin’ny 1 na amin’ny 2 na amin’ny 3 ny fihibohana dia mitovy foana satria ilay fitadiavam-bolan’ny malagasy mihitsy no efa an-dohalika ny ranimbary. Vola tokony hanampiana ny vahoaka ve no anisany nanaovana io Colisée io, hoy hatrany ny Natiora? An’ny malagasy rehetra ny rova satria nandray anjara tamin’ny fanamboarana io ny foko rehetra. Tao ny nanome hazo, ny nanome vola, sy ny nanome tanana tamin’ny fomba samihafa. Mandeha indray izao ny resaka fampianarana. Ny dikan’izany rehetra izany dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena satria fitondrana tsy nahazo famatsiam-bola no mitondra. Vahaolana amiko dia fihibohana tanteraka, hoy ny filohan’ny antoko, dia omeo 5 hetsy ariary amin’iny fanampiana natokana ho an’ny fahamehana iny avy ny isan-tokantrano. Manara-maso azy miantsena ny mpitandro filaminana dia mba izay vokatra ilaina no vidiany mandra-paha voafehy ilay aretina anatin’ny tapa-bolana. Hita ho malemy ny fitondram-panjakana satria tsy fotoanan’ny fisamborana izao. Inona moa no hisamborana an’i Berija? Rehefa natao “requisition” ny mpanao gazety dia mba ataovy koa ny Canal Plus, ny Startimes, ny rehetra. Natao hanitsy ny fitondrana ny mpanao gazety ary manampy azy. Raha teriterena ireo dia hibirioka hatrany ny fitondrana, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.