Politique

Antoko Natiora « Ny olona no harena»


  • Talata 12 Mey 2020

Ny antoko Natiora dia manana ny firehan-kevitra "Politika ny mahaolona " ary sarotiny sy mijoro rehefa ny mahaolona no voakasika, hoy ny fanambaran’izy ireo omaly.

 

 

Amin’izao fotoana izao dia tsy voahaja sy tsy voajery io Mahaolona io satria tsy misitraka feno ny zony ny vahoaka eo anatrehan'izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Ny fanampiana omen'ny Iraisampirenena dia natokana hiatrehan'ny fanjakana sy ny vahoaka izao COVID19 izao. Misitraka izany ve ny vahoaka malagasy? Voalazan'ny lalampanorenana fa mendrika ny ahazo ny vaovao marina ny vahoaka. Izany tokoa ve ny zava-misy eto ? Misy ny fahafatesan’olona efa maherin’ny 400 isa nohon’ny resaka tazomoka. Inona no mba fepetra noraisin'ny fanjakana ? Misy ny resaka tazo mahery Dengue izay efa nahafaty olona mahery ny 100 isa. Inona no fepetra noraisin'ny fanjakana ? Ho avy ny fiotazana lavanila izao. Izay foto-piveloman'ny olona maro indrindra any amin’ny faritra SAVA. Inona no fepetra noraisin'ny fanjakana? Tsy misy ny fandriampahalemana manerana ny nosy. Inona no andraikitra raisin'ny fanjakana ? Noho izany, ny antoko Natiora dia milaza fa ny olona no harena. Omena Hasina aloha ny vahoaka sy ny Fihavanana izay vao vola sy voninahitra. Mila Mihary, Miaina, Mivelona ny olona, izay ilay hoe Fotodrafitr’olona ka ny lasitra dia Fitiavana, Fahendrena, Fihavanana mitondra Fahalemana ho fampandrosoana ny Olona anaty fitoniana. Miova ny saina, Miova isika, Miova madagasikara dia ho mora ny ady atao amin’ny valan'aretina covid19 satria mifampihaino ny mpitondra sy ny vahoaka, hoy hatrany ity antoko ity.\

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT