Politique

Antoko Natiora “Ny isan’ny depiote ahena”


  • Talata 22 Septambra 2020

Tsy tan-dalàna isika eto Madagasikara, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, naneho ny heviny mikasika ny fifidianana loholona kasaina atao ny 11 desambra izao.

 

 

Ny lalam-pifidianana eto amintsika dia hoe tsy azo atao anaty fahavaratra ny fifidianana. Lalaovina foana ny andrim-panjakana ary io no tsy mampandroso antsika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Efa hita fa tsy mety ilay fotoam-pahavaratra dia raisina amin’ilay hoe satria volana desambra no nanombohan’ilay fotoam-piasana. Tsy azo atao mihitsy ve no manembotra hoe volana martsa mba ho tsara omana kokoa satria main-tany dia tazomina amin’izay amin’izay manomboka eo, hoy izy? Tsy manana fahavononana hanova mihitsy ny mpitondra eto ka aza gaga raha miverimberina ny zava-miseho tahaka ny hoe afaka 3 taona na 5 taona sy toy izany dia misy korontana foana. Lalaovina ny lalana fa tsy mbola nisy ny fanjakana tan-dalana teto, hoy izy. Misy kajikajy tsy mazava ao satria ny filoham-pirenena dia efa niteny fa handrava ny antenimieran-doholona rehefa mahazo fitondrana. Mazava ny antony satria olon’ny fitondrana teo aloha no nameno tao. Raha hanena, hoy hatrany, ny Natiora dia ny isan’ny depiote ahena raha tena resaka fitsitsiam-bola tokoa no atao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT