Politique

Antoko Natiora “Ny fitondrana mihitsy no mitady korontana”


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Mampalahelo ny vahoaka Malagasy satria fanina tanteraka ary tsy mahita ho sarangotina, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

 

 

Ny mpanohitra ao amin’ny RMDM dia tsy miady an-trano fa mihezaka mampitovy sy mampiray hevitra ary tadin-dokanga. Porofo ireny tamin’ny alatsinainy 10 aogositra ireny. Hita izany fa mitady sehatra itenenana ny vahoaka. Araka ny voalazan’ny andininy faha 19,20,21,22,39, nanaja sy nampihatra ireo ve ny fitondrana ankehitriny ary zo koa ny fampiharana ny zon'ny mpanohitra izay voalazan'ny andininy faha 14 anaty lalampanorenana. Tsy mahagaga raha tonga amin’izao kihon-dalana izao ny mpitondra izay fanina sy mikorontana tanteraka eo anoloan'ny fihibohana satria handrakandrana sy lainga no vahaolana atao. Afaka miasa daholo na miverina miasa daholo ny rehetra. Dia ahoana ny fitaterana? Angaha tsy ny rehetra no miasa? Ny fitaterana angaha tsy anisan'ireo mpiasa? Sady tsy ho ampy sakafo no vizana ny Malagasy ka inona no asa ho vita? Aretina no ho azo dia aiza ny vola hitsaboana? Mikasika ny raharaha MBS moa dia taratra iray ahitana fa mankany amin’ny fianjeran'ny fitondrana io satria lesona fahita teto amin’ny firenena ny vokatry ny fikitikitihan'ny fitondrana haino aman-jery. Ary ny fitondrana mihitsy no mitady korontana, hoy hatrany ny Natiora.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT