Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.
Niaiky izy fa nisy fihetsika tsy nety nataony ary manaiky miova. Nisy fotoana izy efa niala tsiny tamin’ny vahoaka Malagasy. Mendri-piderana izany . Ny antoko Natiora izay manao ny politikan’ny mahaolona dia tena mahatsapa fa nijoro ho tena Raiamandreny ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, hoy izy, ka tsy menatra sy miaiky ny tsy fihetezana tamin’ny fitondrany. Atsipy ho an'ny mana-panahy ireny ary azo tanterahana tsara. Nampahafantatra ny vahoaka ny resaka ara-bola azontsika no nataony ary nanoro ny tokony ho atao. Tsy hitako hoe inona no olana. Ary marina ny azy fa hatramin’izao ny fanjakana dia tsy nanome sandam-bola hoe ity ny avy aty amin’ny fanjakana foibe ary ity ny avy amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany toy ny OMD, BM, FMI sy ny sisa. Fotoana izao anehoan'ny tompon'andraikitra sy ireo tompon'antoka eto amin’ny firenena hampisehoana fa fanjakana tsara tantana sy tan-dalana ary mangarahara izao fitondrana izao, hoy ny Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.