Politique

Antoko Natiora Miantso ny CENI sy HCC hametra-pialana


  • Alarobia 12 Jona 2019

Mila avaozina ny tontolo politika eto mba ho an’ny mpanao politika, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha nanontaniana ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena.

 

 

Tsy manana etika ny ankamaroan’ireo kandida depiote tsy miankina ireo. Misy amin’ireo no efa miteny sahady fa aleo miaraka amin’ny kandidam-panjakana raha te ho lasa. Tsy misy fitsinjovana firenena izany fa ny tenany ihany. Tokony ho foanana, hoy izy, ny famelana ny tsy miankina hirotsaka amin’ny fifidianana rehetra manaraka eo. Tsy sahy miteny ny tsy mety ataony ny CENI ary aty afrika ihany no misy an’io rafitra io kanefa tsy milamina daholo izay firenena misy azy. Miha potika ny firenena sy ny tontolo politika noho ny tsy fahasahian’izy ireo sy ny HCC miteny. Leo ny vahoaka ary antony mahatonga ny tahan’ny mpifidy ho ambany izany. Tokony hisy koa ny lalàna hoe rehefa tsy mahatratra 50% ny taham-pahavitrihana dia foana ny fifidianana. Mipetraka amin’ny toerana izay tiany ny peta-drindrin’ny propagandy, ny lisi-pifidianana tsy tomombana. Omena vola sy fitaovana anefa ny CENI. Mitodika any amin’ny CENI sy HCC aho, hoy hatrany izy, mba ho tombontsoan’ny firenena dia tsy maha menatra ny mametra-pialana fa soa fianatra ho an’ny hafa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT