Politique

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

 

 Manana harena maro isika eto, akora fototra. Misy orinasa fanamboaran-tsavony eto, maninona raha ireo no ampiana? Tsy mahafehy ny asany ny fanjakana. Tsy misy raiamandreny eto, hoy ny filohan’ny antoko. Hitandrina ny lalampanorenana no fianianana natao kanefa ny hanova izany no maha maika nony tonga eo. Ao anatin’ny hahamehana ve no tokony hanaovana fizarazaram-paritra? Fifidianana ben’ny tanana amina kaominina miisa 24 aza mbola tsy vita. Mitotongana io ny vidin’ny lavanilina. Inona no ataon’ny fitondram-panjakana aminy any amin’ny faritra avaratra? Ho avy ny litchi. Inona no fepetra efa noraisin’ny fitondrana momba izany? Mirongatra ny asan-dahalo. Izaho nanana fianakaviana voatafika, hoy ny filohan’ny Natiora, saingy hatramin’izao tsy misy mangirana ny raharaha. Izahay antoko Natiora moa mivoy ny fanjakana tan-dalana sy ny fitsarana sosialy ary ny vahoaka misitraka feno ny zony. Efa manomana ny fiatrehana fifidianana hoavy. Hivoy koa izahay, hoy ny Antoko, mba tsy hisian’ny hoe mpiasam-panjakana hilatsaka dia maka fiatoana voafetra na “disponibilité” na koa hoe milatsaka amin’ny anaran’ny mahaleotena. Aoka, hoy ny Natiora, mba olona avy amina antoko amin’izay no hilatsaka ho fidiana.

J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny antoko Natiora

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT