Amin’ny maha mpitory ny filazantsara dia ny fitondrana am-bavaka ny firenena mba ho afaka anatin’izao areti-mandripaka izao tao anatin’izay 5 volana izay no tena nimasoanay,
hoy ny filohan’ny antoko mpihira Taratry ny mazava, Ralaiarimanana. Nentina nampisaintsaina antsika ireny zava-misy ireny fa tsy maintsy mandalo olana ny firenena kanefa rehefa matoky an’Andriamanitra dia tsy hilaozany. Natao hahatsiarovan’ny Kristianina tena ireny satria i Arona mpanjaka na dia nirehareha sy natanjaka aza raha tsy nitodika tamin’Andriamanitra dia zava-poana izany. Raha tsy teo Andriamanitra dia efa asa fotsiny izay nanjo teto, hoy izy, araka ilay teny hoe raha mbola misy na iray aza mino ao amin’ny firenena dia ho foanako ny fandringanana. Ny vokatra manaraka izay hivoaka aorian’izao fihibohana izao moa dia mitondra ny lohateny hoe “Safidy”. Ny tanjona dia ny hiantsoana ny Malagasy rehetra hifankatia fa tsy hifanenjika intsony satria Malagasy mifankatia no hitondra any amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny Taratry ny Mazava.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.