Politique

Antoko MONINA Nahatsiaro an-dRabearimanana, mitony tolona


  • Alarobia 25 Mey 2022

Herintaona izao no nandaozan’ny Profesora Rabearimanana Gabriel antsika, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika MONIMA nahatsiaro ny 25 mey 2021. 76 taona feno dia feno satria vitany tamin’ny fomba mendrika sy azo atao

 modely ny adidy sy andraikitra nosahaniny teo amin’ny fiainam-pianakaviany teo amin’ny asa naha mpampianatra mpikaroka azy teny amin’ny fampianarana ambony ary teo amin’ny tolom-panafahana notarihin’ny Antoko MONIMA hamerenana ny firenena malagasy eo amin’ny tena fiandrianam-pireneny. Mpampianatra Mpikaroka nahavita be tamin’ny firenena Rabearimanana Gabriel satria mpianatra indray nihira maro no nofaniny tamin’ny taranja jeografia sy tantara nivoaka tamin’ny mari-pahaizana Licence, Master sy Doctorat. Tsy nahagaga raha voafidy ho sojaben’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona izy ny taona 1996 – 2002 ary nandray anjara tamin’ny tolona sendikaly. Tamin’ny naha Praiminisitry ny Tetezamita an’I Monja Roindefo, filoha nasionalin’ny antoko MONIMA dia tsara ho marihina manokana fa anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ireo didim-panjakana miisa 3 momba ny tambin-karaman’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eny amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa koa izy ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara. Mpitolona, mpitari-tolona, fanjakalahin’ny tolom-panafahana tarihin’ny antoko MONIMA ho an’ny vahoaka Malagasy, Rabearimana Gabriel. Resy lahatra amin’ny ideolojian’ny hery ankavia izy. Mpikambana tamin’ny Association des Etudiants d’Origine Malgache (AEOM) tany Frantsa izy. Nandalo tao amin’ny « Ecole du Parti Communiste » tany Frantsa fony mbola mpianatra tany. Fantatra koa izy teo anivon’ny « Parti Socialiste » any Frantsa izay nanondro azy ho anisan’ny “jospinistes” tamin’ny fotoana naha « Premier Secrétaire du Parti Socialiste » an’andriamatoa Lionel Jospin. Teo an-daharan’ny tolona nafana vay nataon’ny Antoko MONIMA hatrany izy, mpanolo-tsaina akaiky, nandritra ny fotoana lavan’ny raiamandreny Monja Jaona mandra-pahafatin’ity farany. Sekretera jenralin’ny Antoko MONIMA izy no niamboho. Namoy olo-manga ny Firenena Malagasy raha nandao antsika izy ny faha-25 mey 2021. Vato namelan-kafatry ny modely nomeny sady tsy handrarak’ilo mby an-doha ireo mpianatra maro be nofaniny, ny mpitolona sy tomponandraikitra MONIMA. Manana adidy ny mpikambana sy ny tompon’
andraikitra MONIMA hanohy ny tolona, ka tsy hiviombio amin’ny sori-dalana nolovaina tamin’ny Dada Monja, hoy hatrany ny Monima.
J. Mirija
Legende: Ny profesora Rabearimanana Gabriel fahavelony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT