Ny 14 oktobra 1958 no nilazana ny nitsanganan’ny repoblikan’i Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny.
Nanomboka teo izany isika no niditra na niaina tao anatin’izany repoblika izany. Ny otrikafo, hoy izy, dia isan’ny tsy mankasitraka ny fankalazana io daty io sahala amin’ny tsy ankasitrahanay ihany koa ny fankalazana ny 26 jona 1960. Ho anay aloha dia ny 14 oktobra dia daty isan’ny namatotra an’I Madagasikara indray taorian’ny fanjanahantany. Izany hoe fanjanahantany vaovao no nidirana ny 14 oktobra 1958. Tsy misy izay tsy mahalala ny fisian’izany hoe “accord de coopération franco-malagasy” nanomboka teo. 62 taona aty aoriana mbola misy ampahan-tany Malagasy maro fehezin’ny frantsay. Antony mbola hanohizanay tolona maro toy ny fitakiana ireo nosy malagasy izany, hoy hatrany izy. Hanatitra taratasy soso-kevitra mahakasika izay eny amin’ny Antenimieram-pirenena indray moa ity antoko ity sy ireo antoko maro hafa toy ny Alefa sy ny APM anio 15 oktobra rehefa avy nanao izany teny amin’ny antenimieran-doholona, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.