Politique

Antoko MFM Ampy izay ny fifandonan’olon-droa mamotika firenena


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Tao anatin’ny fikaonan-dohan’ireo mpitarika ny MFM manerana ny Nosy natao

 

 

 

tetsy amin’ny Foibeny etsy Ampefiloha notarihin’Atoa Olivier Rakotovazaha ny sabotsy 27 febroary lasa teo no nanambaran’ity antoko ity, fa tsy azo ekena ny fifandonana eo amin’olon-droa ka mahatonga fahavoazana eo amin’ny vahoaka sy ny firenena. Na tsy novantanina aza io, dia mazava fa ny fifanolanana teo amin’ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana sy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izay efa tao anatin’ny 14 taona niainga tany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna taona 2007 mandrak’androany. “Tokony hisy vahaolana mifandraika amin’izany handraisan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena anjara. Ny fametrahana fihenjanana amina tsangan’olona roa eto amin’ny firenena, dia heverinay fa tsy vahaolana, fa tokony hisy fomba ahafahantsika mamaha ny olana amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra miainga avy eny ifotony”, hoy ny MFM tamin’ny alalan’Atoa Olivier Rakotovazaha. Nanamafy ity antoko ity, fa saro-piaro amin’ny resaka fitsinjaram-pahefana ary manohitra ankitsirano ny fivangongoam-pahefana amin’ny lafiny maro samihafa. Ny hamaha izany no mety hanala olana tsy hisian’ny fifanandrianana amina sokajina politika miorina amina tsangan’olona, hoy hatrany ny MFM. Tsy azo ekena ihany koa ny fametrahana ny vahoaka Malagasy ao anatin’izao toe-javatra misy izao. Nahitsy ity ity antoko ity naneho, fa tokony hanao ny manda-tehezana ny antoko politika, firaisamonim-pirenena, fikambanana, herivelona,… mba hitady fomba ahafahana miantoka ny fahafahana sy ny fahalalahana, ary indrindra ny teny ierana, ny fanorenanana mifototra amin’ny fihavanan’ny Malagasy miainga avy eny ifotony.

 

MILA TAMBERIN’ANDRAIKITRA

Nanamafy ny voalazan’Atoa Pety Rakotoniaina ny 19 febroary teo ny MFM, fa tsy vahaolana ny firosoana amin'ny fifamonoana, tsy vahaolana ny fiziriziriana fahatany na amin'ny andaniny na amin'ny akilany. Mila sata ifanarahan'ny Malagasy ny Firenena satria anisan'ny mampisy sy mampiverimberina krizy ny sata nisy hatrizay satria hala-tahaka sy terem-bazaha. Tsy sasatra ny mamerina hoe tsy ilaina ny fivangongoam-pahefana, fa mampiady fa tokony haparitaka amin’ny Faritany, Faritra, Kaominina, Fokontany. Matoa miteny ny olona dia misy tsy mety izany ny fomba fitantanana ilay firenenaka, misy noho izany ny zavatra tokony hovaina. Niakatra ho 92% amin’ny Malagasy no mahantra, eto Madagasikara dia tsy misy ny tamberin'andraikitra, ka olon-tokana no lasa mifehy izany. Ny mampalahelo dia ireo "acteur de développement" tsy misy manisy lanjany kanefa izany no tena fototry ny fampandrosoana, hoy Atoa Pety Rakotoniaina tamin’izany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT