Politique

Antoko Malagasy Miara-Miainga “Tsy vitan’olon-tokana ny fampandrosoana”


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Miofana mandritry ny hateloana eny Ilafy ireo mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo.

Isan’izany ny mpandrindram-paritra sy ny avy amin’ny Tanora sy ny Vehivavy na TMMM-VMMM ary koa ireo mpanampy ny parlemanta na « Assistant parlemantaire » ary ireo ben’ny tanàna. Natao izao ahafahan’ny antoko manao tantsoroka ireo ben’ny tanàna sy olom-boafidy na fikambanana mitady famatsiam-bola ho an’ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana, hoy ny eo anivon’ny birao politika sady mpanomana, Ravelonjato Bernard. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fomba fanaovana fangatahana sy ny fifampiraharahana ahafahana manetsika loharanom-bola hamatsiana tetikasa eny anivon’ny kaominina sy ny fanatevenana ny fahaiza-manao sy ny fahalalalana hanampiana ireo mpikambana sy tomponandraikitra. Niaiky ny tenany fa tsy mora ny fangatahana famatsiam-bola sy ny fandresen-dahatra mba isitrahan’ny eny ifotony ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana. Fotoana hihaonan’ireo mpikambana koa izao hanomanana ny fifidianana sy hametrahana paikady hiatrehana izany. Jerena ny lesoka sy ny olana anatin’ny antoko, araka ny nambarany. Anisan’ny fotokevitry ny MMM ny fihainoana sy ny fifampizarana ary koa fanohanana ny mpitantana eny ifotony. Tsy vitan’olon-tokana ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny firenena, hoy hatrany ny MMM. Hampita ny fiofanana any ifotony ireto mpiofana ireto aorian’izao atrikasa iarahana amin’ny FES izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT