Resy lahatra ny rehetra fa ny fanatanterahana fifidianana ihany no hamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao.
Efa navoakan’ny CENIT niaraka tamin’ny Firenena Mikambana iny ny tetiandrom-pifidianana. Fatiantoka ho an’ny Malagasy ny fanemorana ny fifidianana, hoy Rtoa Rabeharisoa Saraha Georget, filoha nasionalin’ny antoko Maitso ary efa nitonona fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Manana andraikitra hampanjary io fifidianana io ny rehetra indrindra fa ny CENIT, hoy izy. Tolokevitry ny maitso ny tokony hisian’ny fifanarahana ifanaovan’ny mpanao politika, fiarahamonim-pirenena eny hatramin’ny miaramila mitondra mankany amin’ny fifidianana na “accord électoral” ; fifanarahana tsy natao hamaliana hetahetan’antoko na ankolafy iray fa kosa hahafahana manatanteraka fifidianana araka ny fenitry ny Firenena Mikambana.
Hiatrika filankevitra nasionaly ny Maitso ny 15-16 novambra izao, hanomanana ny kongresy nasionaliny voalohany. Vao avy nanao fitsidihana tany Eoropa ny delegasionan’ny Maitso notarihin’ny filoha nasionaliny ny 9 ka hatramin’ny 29 oktobra teo, nihaona tamina mpitondra ambony toy ny minisitra, parlemantera eoropeana ary mpikambana Maitso samihafa tany Italia, Strasbourg ary Soisa. Tanjon’ny antoko politika ny haka fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana, ka mivonona amin’izany ny Maitso, hoy Rtoa Saraha Georget, ary tafiditra amin’ny fiomanana izany ity dia tany Eoropa ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.