Miala bala fotsiny ny minisitry ny tontolo iainana ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara tetsy amin’ny La Gastro Pizza Analakely omaly.
Ny politika momba ny ala mihitsy no tsy mipetraka eto Madagasikara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko, Haingosoa Hortencia. Efa maro ny atrikasa natao momba io “bois et énergie” io ary betsaka ny antontan-kevitra navoaka momba izany raha tsy hilaza afa-tsy ny ao amin’io minisitera io ihany. Isany ny resaka saribao sy ny fitadiavana vahaolana momba ny hoe amin’ny fambolen-kazo dia ampitomboina ny“bois et énergie” ambolena kanefa tsy mipetraka izay politika izay eo amin’io MED io. “Tolerance zero” no dradraina nefa rehefa jerena dia “action zero” no hita. Tsy misy fepetra fampifandrindrana ilay fandrarana kanefa efa fantatrao fa tsy maintsy hikapa hazo ny olona. Tsy mipaka any amin’ny vahoaka anefa ny fanabeazana ara-tontolo iainana. T3 no niala niatra ny 70%n’ny Malagasy. Nahoana no terena hatakatra ilay vahoaka Malagasy kely hoe izao no voka-dratsin’ny fanimbana tontolo iainana nefa ry zareo no tsy mivoy an’izay eny ifotony nefa be dia be ny famatsiam-bola io minisitera io? Mila apetraka eny ifotony hoe mitombo ny mponina dia mitombo koa ny filana. Anton’ny anaovan’ny vondrona eoropeanina fandrindrana ny fampirehetana ny saribao sy kitay ary ny harina fandrehitra sy ny namany izany. Tsikelikely no tokony hialana amin’izany satria na nahena aza ny vidin’ny gaz na entona fandrehitra dia 3000 ariary ny atsinjarany ary mbola tsy manenika an’I Madagasikara io satria Analamanga sy Boeny ihany no nanao izay hatreto, raha tsy diso aho, hoy hatrany ny mpandrindra nasionaly. Tsy takatry ny Malagasy izany satria na ny saribao 500 ariary aza efa mampikaikaika azy ka tokony hitady vahaolana maharitra ny MEDD, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.