Manan-karena zava-boahary ny faritra Atsimo antsinanana saingy tsikaritra ho
miha potika mandava-taona anefa izy ireo fa tsy araka ny mampirehareha antsika hampitombo sy hamboly, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Maitso ao an-toerana, Haingo. Samy manana ny stratejia hiarovany tontolo iainana moa ireo tompon’andraikitra fa tsy ampy koa ny fandraisana anjaran’ny avy any ifotony fa mivangongo any amin’ny fanjakana foibe avokoa ny hevitra sy hetsika tokony atao. Lasa tsy mahalala na inona na inona ny eny ifotony moa tsy voahaja ny fampandrosoana ifotony ialan’izy ireo amin’ny famotehana ny zavaboary. Ankoatry ny afo dia eo koa ny fanapahan’ala na tavy sy ny fakana hazo sarobidy fiveloman’ny olona izay nirongatra tato ho ato ary mampametra-panontaniana hoe minia mikipy manoloana izany ve ny tompon’andraikitra? Avo roa heny mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa ny fahapotehan’ny tontolo iainana tamin’ity raha farany kely. Tsy misy fepetra mifanila raisin’ny tomponandraikitra anefa mba hahafahan’ireo mponina mivelona lavitry ny famotehana izay zavaboahary izay. Fisamborana sy fanenjehana no mahazo azy ireo fa tsy fanampiana azy loatra. Ny toerana efa nanaovana tetikasa ihany no mbola iverenana anaovana izany fa ireo toerana tena mila izany tsy misitraka na iray aza. Atsimo atsinanana iraimanontolo anefa misy harena voajanahary sy zava-boahary daholo. Kaominina miisa 98, distrika miisa 5 tokony hisitraka tetikasa daholo saingy betsaka raha toa ka 30 ny kaominina iasana tetikasa ato Atsimo Atsinanana. Tokony jerena, hoy hatrany izy, izay resaka “mesure d’accompagnement” izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.