Mbola antoko velona ny Leader Fanilo izay tarihin’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy, hoy i Eric Rabeharisoa sekretera jeneralin’ity antoko, ity.
Ohatra vao haingana, dia tamin’ny 2 herinandro lasa izao ny mpisolo toerana an’Itompokovavy Rakotomamonjy tao amin’ny antenimieran-doholona no nandray ny toerana maha loholona azy. Eo koa ny resaka ben’ny tanana sy mpanolontsain’ny tanana avy amin’ny Leader Fanilo izay mandray ny andraikiny ankehitriny. Misy mpikambana Leader Fanilo vitsivitsy ihany koa miara-miasa amin’ny ben’ny tananan’Antananarivo, hoy hatrany ny Leader Fanilo. Amin’ny maha antoko politika koa dia mijery ny zava-misy izahay. Ao ny resaka lalana mivoaka toy ny lalana momba ny antenimieran-doholona. Manana ny heviny manokana ny Leader Fanilo mikasika an’io satria raha soloina ny isan’ireo loholona, aminay dia manana asa io antenimiera io. Tsy inona izany, hoy izy, fa ny fanaraha-maso ny lafiny eny an-kianja ny asa izay tanterahana amin’ny resaka fitsinjaram-pahefana. Raha mijery ny isa notapahan’ny governemanta sy ny tsangan-tanana momba io dia hitanay hoe kely loatra ny isan’ireo loholona raha oharina amin’ny isan’ireo faritra sy faritany. Fara fahakeliny, ny fijerinay azy, hoy ity SG ity, dia tokony ho 40 na 45 teo ny isan’ny loholona saingy tsy maintsy ekena moa rehefa izay no demokrasia.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny Leader Fanilo (Tahirin-tsary)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.