Mandrara ny fivarotana ny ody antsoina hoe “remède secret” ny andininy faha 110 ao amin’ny lalana 2011-002, hoy ny fampahatsiahivana nataon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara omaly.
Tsy tokony hamidy eny an-tsena, noho izany, ny Covid organics. Manjavozavo hatreto ny ao ambadiky ny famokarana azy. Mila mangarahara, hoy hatrany ny HVM, ny famatsiam-bola na tosika ara-bola momba izany. Ny fanjakana ve no miantoka ny famokarana sa mividy tambavy efa vita? Nanamafy izy ireo fa mila atomboka ny fanaovana ny fitiliana faobe mba ho fifehezana ny fihanaky ny valan’aretina COVID 19. Aiza ho aiza ny fampanantenan’ny filoham-pirenena hampitombo 500 ka hatramin’ny 1000 isa ny isan’ny olona voatily isan’andro? Tokony misy ampahany amin’ireo famatsiam-bola azo, hoy ny HVM, no amatsiana ny drafitra enti-miahy ireo sehatra tsy miankina izay misedra mafy ny fiantraikan’ny hahamehana ara-pahasalamana. Mbola hitohy ve ny drafitra hahamehana ho fanampiana ireo marefo sy sahirana? Mbola misy antony hanohizana hahamehana ara-pahasalamana ve izao toe-java misy izao, hoy hatrany izy ireo? Toa efa miverina amin’ny andavanandrom-piainany mantsy ny mponina taorian’ny fahitana ilay tambavy lazaina ho fanefitra, hoy izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.