Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.
Fa kosa, mitaky ny fijerena akaiky ny sosialim-bahoaka amin` izao vanim-potoan` ny krizy izao i Rivo Rakotovao. Ho azy, manao izay ho afany ny fitondram-panjakana saingy tsikaritra fa tsy ampy ireo ezaka atao. Raha zohina ny fiainam-pirenena ankehitriny, fotoana itakiana vahaloana maharitra, tsy petatoko na afo mololo izao. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy ireo tompon'andraikitra. Dieny tsy mbola tara satria efa niteny avokoa ny mpanao politika, ny mpahay toekarena, ny mpiaro ny zon` ny mpanjifa fa ho ratsy izy ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.