Politique

Antoko HVM «Sazio ity Fanjakana jadona sy mpandika lalàna ity»


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny Mpandrindra Nasionaliny Atoa Rivo Rakotovao ny Antoko HVM ny sabotsy 16 jolay teo manoloana ny fihetsika sokajian’ity Antoko ity fa fanaparampahefana sy tsy fanarahan-dalàna nataon’ny

Filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta tao Mandoto ny 15 jolay 2022 lasa teo. Fotoana nanararaotana nanaovana fampielezan-kevitra tamin ny alalan’ny famoriana olona nampitondraina fitafy misy ny soratra « Komity manohana an'i Andry Rajoelina (CSANR)». Manameloka tanteraka ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana, indrindra fa ny andininy faha 49 , izay nataon’ny Filohampirenena amin’ny tsy tokony hampifangaroana ny andraikiny amin'ny asan’ny antoko politika misy azy noho izany ny HVM. Nampahatsiahy fa ny praiministra lehiben'ny governemanta dia miantoka ny tsy fitanilàna amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Noho izany. Mitaky ny HCC sy ny CENI handray ny andraikiny ka hanasazy araky ny lalàna ireo tompon’andraikim-panjakana minia mandika lalàna ny HVM. « Koa aoka mba hasehonareo ny vahoaka fa mahaleo tena tanteraka ianareo satria izany no miantoka ny fahatokisan'ny herivelona rehetra ny tsy fiandaniana eo amin ny fisahanana ny asa ankinin’ny lalana aminareo », hoy ny HVM. Nahitsy ity Antoko ity nilaza fa ny volam-bahoaka dia tsy natao hampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra sy handrafetana sarintsarina demokrasia ka entina hanitsakitsahana ny tany tan-dalàna. Miantso ny fianakaviambe iraisampirenena hanamafy ny fanaraha-maso manoloana ny zava- mitranga ary tsy hiray tsikombakomba amin 'ny fampahantrana sy ny fanamparampahefana atao amin ny vahoaka malagasy ihany ko aizy ireo. Nambaran’ny HVM fa efa tonga amin 'ny toe-javatra tsy azo leferina intsony ny firenena. Miaina ao anaty jadona sy didin-kofehy lehibe ka ny fijalian’ny vahoaka no hararaotina anaovana fanaparam-pahefana. “Koa miantso ny herivelona rehetra hijoro hiady amin 'ny fanaparam-pahefana izay mitady hiorim-paka eto amin'ny firenena, ary hitaky ny ara-dalana sy ny ara-drariny ao anaty fanajana ny soatoavina Malagasy”, hoy ny HVM tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo.

Legende: tsy tokony hampifangaroana ny andraikiny amin’ny asan’ny antoko politika ny Filoham-pirenena, hoy ny HVM

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT