Tandindomin-doza ny faritra. Hatahorana ny fihanakin’ny valan’aretina Covid 19 amin’ny alalan’ireo “cas contact” noho ireo fepetra tsy voafehy,
hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’I Madagasikara. Nanome soson-kevitra indray, noho izany ny HVM, ny amin’ny mba tokony hitsinjarana isam-paritra ny fahefana manapa-kevitra sy ara-bola ary ny fampitaovana ny fiadiana ity areti-mandripaka ity. Mila omena fiofanana sy fitaovana, hoy ny antoko, ho entiny miaro tena ny mpitsabo, mpianatra mpitsabo, ary mpitsabo mpanampy isam-paritra. Mila aparitaka amin’ny faritra 22 ny fitaovana hahafahana manao fitiliana haingana na TDR. Tokony hatsangana isaky ny renivohi-paritany 6 ny toeram-pitiliana hahafahana manao ny fitiliana lalindalina na PCR. Mila atomboka ny fitiliana faobe izay miainga avy any amin’ny isam-pokontany, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.