Anatin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikany isan-tokony amin’izao fotoana izao ny antoko politika, Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny HVM,
Rasambany Alain Désiré. Porofon’izany ny fanovana ny rafitra misy, hoy izy. Miezaka izahay manao fitetezam-paritra, mametraka sy manavao ny birao. Misy ny mpikambana efa niala. Nisy ireo voaantso amina andraikitra hafa izay tsy hahafahany manao politika. Misy koa ireo olona mafana fo izay tsy maintsy nomena ny anjara toerany eo anivon’ny antoko. Manofana tanora izahay ankehitriny. Isan’andro manofana mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, manofana mpandraharaha. Tsy mbola afaka miteny izahay anio hoe iza no kandida, raha ny mikasika ny 2023, fa ny kongresin’ny antoko izay vinaniana ho any amin’ny taona 2022 no hanapa-kevitra ny amin’izany. Mety ho alohan’ny fotoana, mety aoriana ny fifidianana satria ny lalampanorenantsika dia mamaritra fa azo atao ny mampiato na manao “empêchement” ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny HVM.
(Tahirin-tsary)
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.