Politique

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana


  • Zoma 03 Aprily 2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

 

Fanampiana ara-kevitra, ara-pitaovana na koa ara-bola no hoentin` ny antoko ao anatin` izany. Tsy fotoanan` ny fifanomezan-tsiny sy fafampihantsiana intsony izao fa fotoanan` ny fifanomezan-tanana satria fahavalo iraisan` ny Malagasy rehetra no atrehina, hoy ny antoko, na dia nampatsiahy ny antsony tamin` ny fitondram-panjakana izay nataon` ny filoha lefiny ny 01 martsa 2020 tamin`ny haino aman-jery mba hanidiana tsy misy hatak`andro ny sisin-tany ka tsy handray intsony ireo sidina avy any ivelany. Eo anatrehin` izany, dia manamafy ny fampiharana ny fanapahan-kevitra noraisin` ny fanjakana momba ny fihibohana izay hifarana ny sabotsy 04 aprily izao ny Antoko HVM. Manentana ny rehetra mba hanaraka ny toromarika izay omen` ny mpitondra isan-tsokajiny ho tombontsoan` ny besinimaro. Mametraka hatrany ny antoko fa antoky ny fahombiazan` ireo paik`ady enti-manantanteraka ny fiatrehana ny COVID-19 ny fahaiza-miatrika sy mitantana ao anaty fampandraisan` andraikitra ny herivelona rehetra.

Fitantanana mangarahara

Manao antso ho an` ny Mpitondra fanjakana mba hitandrina ny “demokrasia sy fanjakana tan-dalàna”, izay fototra iorenan` I Madagasikara, toy ny anankandrimaso. Aoka ho anatin` ny fanajana lalàna sy mangarahara tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ireo loharanom-bola hafa ampiasaina amin` izao vanim-potoana sarotra izao, hoy ny HVM. Toy izay ihany koa ny fitsinjarana ireo fanampiana ara-tsosialy mba ho lavitry ny fanararaotam-pahefana sy kiantranoantrano mba hisian`ny tamberin`andraikitra amin` ny vahoaka sy tsy hitarika korontana na hanimba ny firaisam-pirenena. Manao antso avo amin` ny filoha Rajoelina mba hamory indray ireo filohanà andrimpanjakana mba hanao jery todika sy hanao tombana ny fivooaran` ny zava-misy alohan` ny hakàna izay mety ho fanapahan-kevitra ny amin` ny hitantanana ny firenena manomboa ny 05 aprily 2020, hoy hatrany ny fanambarana.

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT