Politique

Antoko « Humaniste et écologiste » “Hirotsaka izahay na maloto aza ny fifidianana”


  • Talata 07 Jona 2022

Nilaza hirotsaka sy handray anjara amin’ny fifidianana manaraka (filohampirenena, ben’ny tanàna ary Mpanolotsain’ny tanàna) ny antoko Hasin’ny olombelona sy ny Ekolojia

Humaniste et écologiste) na maloto tahaka ny inona ary io, hoy io Antoko io tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Mahajoro Rekany. Amin’izay ireo, ilaina tokoa ny fikaonandoham-pirenena kanefa raha sanatria tsy misy io dia tsy maintsy atao ny fifidianana. Nampahatsiahy anefa ity antoko ity fa efa tamin’ny 2002 ka hatramin’ny 2009 no nitaky « Vérité et Réconciliation » ny filoha Zafy Albert. Nataon’ny mpitondra fanjakana Marc Ravalomanana tsinontsinona izany ka niongana izy tamin’ny 2009. Nitaky ny « Comité Réconciliation Vérité » indray ny filoha Albert Zafy sy Didier Ratsiraka izay nampian’i Marc Ravalomanana kanefa nataon’ny mpitondra fanjakana Andry Rajoelina tinontsinona izany ka nivoaka ny « Accords de Maputo » mihitsy izy. Tsy nanao sonia ny tondrozotra na « Feuille de Route » ny filoha Didier Ratsiraka fa nitaky « Sommet à 4 en live » kanefa dia natao amboletra ny fifidianana tamin’ny 2013 ka na izy aza nanam-pikasana hirotsaka izany hoe niova hevitra tampoka indray. Ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia nanao kisary na fihaonana kanefa tsy nisy vokany. Ny antony tokony nanaovana ilay fampihavanam-pirenena moa dia satria misy olom-pirenena voarohirohy ho mpamono olona, ho mpanongam-panjakana (2002,2009), ho mpanondrana « bois de rose », ho mpanodikodim-bolam-panjakana,… ka tsy tokony ho kandidà intsony izy. Tamin’ny 2013 dia ireo fianakaviambe iraisampirenena no nitaky mafy ny fifidianana. Ireo fiarahamonim-pirenena mihitsy ihany koa no tsy nanaiky ilay « Processus Vérité Réconciliation » fa nitaky fifidianana. Anisan’izany ny SeFaFI, ny Wake-up, CCOC,... Aminay, raha vao milatsaka fotsiny ireo voarohirohy dia efa maloto ny fifidianana, kanefa dia tsy maintsy handray anjara amin’ny fifidianana izahay. Fifidianana ihany no hakana fahefana,…. Amin’izy ireo, tokony hisy fifidianana Lalampanorenana mihitsy ka hilahatra eo ny « Faritra/faritany mizaka tena », ny « Etat unitaire », ny Fanjankan’Andriana ka mifidy eo ny olom-pirenena. Maro ny lalàna mila amboarina kanefa raha tsy ho vita anatin’ny 16 volana anefa ireo dia aleo hiroso amin’ny fifidianana. Tokony hofoanana kosa ny CENI ary ny Fanjakana no tompon’andraikitra amin’izay miseho, ary ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana kosa dia rariny raha olom-boafidy no manendry ny mpikambana, hoy izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT