Politique

Antoko Harena Mila praiministra tsy miandany hitantana ny fahefana mpanatanteraka


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifanatonan’ireo hery lehibe no hamahana ny olana eto amintsika, ho an’ny antoko Harena.

Nambaran’ny filohany, Lezava Fleury, fa tsy azo ahilika amin’ny dinika ny ankolafy efatra izay efa neken’ny firaisambe iraisam-pirenena kanefa tsy olana ihany koa, hoy izy ny fandraisan’anjaran’ ireo hery politika hafa. «Fomba fiteny politika ireny kabarin’ny filohan’ny FAT milaza ny tsy hifampidinika ireny satria tsy ho tanteraka mihitsy izany fisokafana izany raha tsy misy ny fifampidinihana» raha ny nambarany hatrany. Nasian’i Lezava Fleury resaka ihany koa ny fiaraha-mitantana ny fitondra-mpanjakana. Ny endriky ny fitondrana tetezamita notarihin-dRazanamasy Guy Willy tamin’ny taona 1991 no mety amin’izao zava-misy izao ho an’ny Harena. Omena ny praiministra iray izay tsy miandany atsy na koa baikon’ny aroa ny fahefana mpanatanteraka ary avela izy hanangana ny governemantany izay ahitana ny hery politika rehetra.

«Tsy olana na mpanao politika na koa teknisianina io olona apetraka amin’ny toeran’ny lehiben’ny governemanta io izay manana ny fahefana feno», hoy i Lezava Fleury. Raha io kisary io dia mijanona ho anaram-boninahitra sy misolotena ny firenena ny andraikitry ny filohan’ny FAT. Notsindriany kosa anefa fa tokony hofaritana mazava ny andraikitr’ilay governemanta sy ny faharetan’io tetezamita io. Momba ny mety ho fandraisana anjaran-dRavalomanana sy Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia nanambara ny filohan’ny Harena fa samy efa nanao fifanekena tsy hirotsaka izy mirahalahy ireo tany Maputo. «Niteny Rajoelina fa tsy hilatsaka hofidiana ary Ravalomanana koa nanambara fa tsy hiverina eto raha tsy milamina ny tany sy ny firenena”, hoy izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT