Politique

Antoko Gasy mifankatia “Fototr’olana eto ny fivangongoam-pahefana”


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Eo anatrehan’ny savorovoro politika misy eto amin’ny firenena dia nampahatsiahy ny avy eo anivon’ny antoko politika, Gasy mifankatia, tarihin’ny filohany, Zafivao Jean Louis, fa nanolotra kandida ho filoham-pirenena izy ireo ny taona 2018 teo.

 

 

 

 Nisy ny vina natolony heveriny hitondra fitoniana sy fivoarana eto amin’ny firenena. Isan’izany ny fametrahana ny rafitra fizakan-tena ara-bola sy fitantanana eo amin’ireo faritra 22 sy ireo kaominina miisa 1995 manerana ny nosy sy ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra aritany na “central electrique charbon de terre” izay azo tanterahana ao anatin’ny 18 volana ka ho mora sy matanjaka ny vidin’ny herinaratra amin’ny mpanjifa. Tsapanay, hoy ny Gasymi, fa tsy hita taratra ao anatin’ny praograman’izao fitondrana izao izany. Resy lahatra ny Gasymi fa anton’ireo krizy lava teto amin’ny firenena taorian’ny taona 1991 na ny repoblika fahatelo ny tsy fanajan’ireo mpitondra nifandimby ny lalampanorenana sy lalana fototra nisy. Isany ny tsy fanatanterahana ny lalana fehizoro 93-05 mikasika ny famindrana ny tandrifim-pahefana hatramin’ny taona 1993. Nanavao izany ny lalana fehizoro 2014-018 izay milaza ny tokony hanatanterahan’ny fanjakana foibe ny famindrana ny tandrifim-pahefana amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy tanteraka koa io kanefa io fivangongoam-pahefana amin’ny fanjakana foibe io no tena fototr’olana eto, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Fehiny, hoy hatrany ity fanambarana ity, dia tsy hisy fampandrosoana eto raha tsy samy afaka mampiasa ny volany sy miaro ny fananany ary afaka ny faritaniny avy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT