Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny dia nanao antso avo ny filohan’ny antoko politika FMDD na Faneva de Madagascar pour le développement et la démocratie, Rochel Rafanomezantsoa,
fa fotoana firaisankinan’ny vahoaka malagasy izao manoloana ity fipariahan’ny valan’aretina Covid-19 eto ambonin’ny tany ity. Mila miara-misalahy miady amin’izany isika, hoy izy. Manaraka izany dia maneho hevitra izahay satria rariny sy tena marina ny zava-misy nivoaka teo anivon’ny CENI, hoy izy, fa tany amin’ny taona 2018 no efa niseho ireny tsy fetezana ireny. Efa nilaza izahay tamin’izany fa tsy tokony hatao ny fifidianana filoham-pirenena saingy tsy nety moa ny sasany. Ny sasany nilaza fa mila amboarina ny lisitra. Tsy tokony hanao fifidianana isika, raha tsy voaova ny lisitra, hoy ny tenany, ary aoka mba ny ho avin’ny vahoaka no tsinjovina ary aoka mba ny marina ihany no entina eto. Tsy mba maty io ary tsy afaka ny hiova. Aoka izay ny fanakorontanana fa andao hamboarina ny lisi-pifidianana dia hiova ny tantaram-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.