Aza atao tandrevaka ny fitantanana ny firenena fa na resaka daty aza ity tsy misy fanapahan-kevitra hentitra, hoy ny filohan’ny antoko politika FMDD,
Rochel Rafanomezantsoa, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fisafotofotoana nateraky ny daty tsy tokony hiasana tamin’ny fankalazana ny fiafaran’ny Ramadany teto Madagasikara. Aza vonjivonjena ohatran’io ny raharaham-pirenena fa ataovy matotra tsara satria hiatrika fampandrosoana isika. Tsy ratsy ny fanehoana ny kadasitr’i Madagasikara tany Frantsa fa tokony hojerena ny taranaka faramandimby. Misy tsy famatorana ireny daty 4 lasa 5 ireny satria very daholo ny rehetra ary tsy hanomezan-tsiny ny finoana silamo akory fa ny fitondrana no tsy matotra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.