Politique

Antoko Fanorolahy Tokony hajoro ny mandatehezana eny ifotony


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Mbola miaina anaty krizy tanteraka isika eto Madagasikara ankehitriny vokatry ny fisian’ilay tsimokaretina coronavirus ka tsy maintsy hiainana ilay hamehana ara-pahasalamana izay miteraka ny fihibohana.

 

 Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny antoko Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Nambarany tamin’izany fa tsara raha mijoro ny mandatehezana eny ifotony handamina ny krizim-bahoaka. Hividy rano fotsiny ireo vokatra ivelan’ny tanana toy ny any Anjeva sy Mahitsy no asa hiandraiketan’izy ireo mandritra izany ho fanavotana ny isan-tokantrano fa tsy ireo marefo ihany. Rehefa milamina ity valan’aretina ity dia io paikady io ihany hoy Randrianary Jose no hampiasaina hikarakarana ny mponina ka hampidirina ao anatin’izany ihany koa ny fiompiana sy ny jono an-dranomamy ary ny jono an-dranomasina. Fampandrosoana ao anatin’ny fotoana fohy hoy izy no tanjona , paikady izay hampiharina any amin’ny faritra ihany koa. Hatolotra ho an’ireo mamboly sy manajary azy araka izany ny tany ary samy mandray ny valin-kasasarany avy eo, tenin’ny kolonely Ratsimandrava tamin’ny fotoan’androny. Ny vahoaka tantsaha no maro an'isa indrindra eto Madagasikara noho izany mila miverina amin'ny tany,antoka iray mafonja entina hiadiana amin'ny fahantrana amin’ny alalan’ny famokarana isika hoy hatrany Randrianary Jose. Ireo izay vonona handray andraikitra toy ny antoko Fanorolahy hoy izy no manazava tsikelikely izay ilain'ny tantsaha hitarika azy amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT