Politique

Antoko DHD “Tsy misy ny mpitondra maodely eto”


  • Zoma 21 Septambra 2012

Nitondra ny fijeriny momba ny fiainam-pirenena ny antoko Dina MaHaolona sy Demokrasia na DHD.

 Simba ny fiarahamonina raha fintinina ny votoatin’ny fanambarany satria sakafo ambany foitra no hanin’ny vahoaka, mandry andriran’antsy ny rehetra sady tsy mifampatoky intsony ny mpiara-belona. Etsy andaniny dia tsy mahavotra intsony ny “vonjy taitra koropaka” ataon’ny mpitondra amin’ireo fitakiana sendikaly sy ny tsy fandriampahalemana any atsimo. “Na hasiana mpitandro ny filaminana hiambina isan-tokantrano aza any atsimo dia tsy mahavaha ny olona tanteraka izany. Tsy asan-dahalo no miseho any fa fipoahana ara-piarahamonina satria tsy misy ny mpitondra maodely”, hoy i Andriandrainarivo Josephi, Sekretera jeneraly lefitry ny DHD.  

Vahaolana  arosony ny fiova famindran’ny mpitondra, ny mpanohitra ary ny fiarahamonim-pirenena ka tena hiombona amin’ny valalabemandry amin’izay fa tsy variana amin’ny ady seza anatiny sy manomana ny fahefana rahampitso amin’ny alalan’ny kajikajy politika isan-tsokajiny. Io vahaolana io no antsoin’ity antoko ity hoe “fahefana iombonan’ny hery liam-pivoarana ho an’ny tombontsoan’ny maro an’isa”. Tsy iandrasana vahiny izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny Sekretera jeneraly lefitra satria ny tombontsoany ihany no tadiavin’ireo fa ny antoko, vondrona, mpanao politika, olom-pirenena tena vonona hiara-midinika amin’ny vahoaka hamaha ny olany no antsoina. Momba ny fifidianana indray dia nilaza ity tomponandraikitra eo anivon’ny DHD ity fa tsy azo atao “fa ho any fa ho any” izany fa ialohavana asa goavana ary raha izao tsy fandriampahalemana izao no mitohy dia resaka valamaty no hanatanterahana izany. Manomboka izao koa dia ny vinam-piarahamonina no tokony hifidianana kandida fa tsy tsangan’olona intsony.


Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT