Tsy hita manangasanga ny tetik’ady mazava manoloana ny tondra-dranon’ny
fahavaratra, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika DHD manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mitaraina amin’ny haintany ny olom-pirenena. Tapaka ny ranon’ny Jirama. Ritra ny rano. Maina ny tany. Maty ny fiompiana sy fambolena. Mbola vao maika maizina ny vahaolana, hoy ny filohan’ny antoko, Harinaivo Rasamoelina. Lazao indray fa Andriamanitra sy ny natiora no nahatonga izany ka tsy misy azo atao na hoe toy ny coronavirus io ka fahavalo tsy hita maso. Manan-jo hanara-maso sy hitsikera ny olom-pirenena rehetra. Olona sy fitondrana nomeny andraikitra mazava dia tsy maintsy arahiny maso, hoy hatrany ny DHD.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.