Ny tena nambara dia hoe foanana ny antenimierandoholona fa mandany vola be eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko politika DHD, Hary Naivo Rasamoelina, nampahatsiahy ny nambaran’ny filoham-pirenena,
Andry Rajoelina, tamin’ny fampihelezan-kevitra sy nampifandray izany amin’ny zava-misy ankehitriny. Efa saika hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy, hoy izy. Izao ny Mapar sy ny fatidrany daholo no mirotsaka ho kandida. Azony atao tsara ny tsy misy milatsaka dia foana ny ilay antenimierandoholona ary tanteraka ny tiany. Hay fahefana tsy refesi-mandidy no tanjona dia mody miolakolaka eo. Izay no fandehan’ilay izy. Kobokobonin’ny marina, milaza tsy anontaniana, hoy hatrany ny DHD. “
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.