Politique

Antoko Demokraty Kristianina Miantso ny rehetra hanohana an’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 22 Jolay 2022

Nanao antsoavo omaly ny antoko politika Demokraty Kristianina ho an’ireo mpikatroka eo anivon’ity antoko ity manerana ny nosy,

ny mpanao politika rehetra, ny malagasy manontolo, ny International Démocrate Chrétien na ny antoko Demokraty Kristianina iraisampirenena mba ho tonga etsy amin’ny Magro Behoririka rahampitso sabotsy 23 jolay 2022. Natokana ho antso fanavotam-pirenena io fotoana io, hoy ny filohan’ity antoko ity, Desire Rapetera. Fantantsika tsara fa efa latsaka anaty fahantrana lalina ny firenena ankehitriny. Fotokevitra maha malagasy antsika izany fifidianana izany. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Tokony ho ambara mandrakariva izany fahamarinana izany mba hahatonga fandrosoana ho an’ny malagasy rehetra. Efa nanao fanambarana ampahibemaso iny ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, fa manana vahaolana maika ahafahana mamaha ny olana eto amin’ny firenena izy. Miantso antsika rehetra hanohana azy noho izany ny antoko politika Demokraty Kristianina. Tsy misy fampandrosoana azo atao eto raha tsy ny fotokevitra maha malagasy antsika no miorim-paka ao amin’ny malagasy tsirairay avy dia ny fihavanana izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT