Antony irosoana amin’ny famelomana ireo rantsa mangaika rehetra manerana ny nosy ny fiomanan’ny antoko Arema izay tarihiko amin’ny fifidianana rehetra misy eto Maagasikara hoy Rtoa Annick Ratsiraka omaly.
Tsy he zava-baovao be izany hoy izy fa efa tapaky ny kongresy nasionaly natao tamin’ny martsa 2020; niomana efa hatry ny ela ny Arema saingy izao vao afaka nihetsika satria nisy fahamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena . Efa tamin’ny 2013 izahay no nihetsiketsika hoy i Annick Ratsiraka.Ampahafantarina ireo mpikatroka ny mpitantana vaovao amin’ny fitetezam-paritra atao rah any fanazavana hatrany ka hitohy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fameloman’aina ny antoko, taorian’i Toamasina sy Antsiranana. Mijanona ho hery afovoany izany hoe tsy manohitra sady tsy manohana ny fitondrana ny Arema; tsy maintsy mitsikera ny tsy mety eto amin’ny firenena ary milaza izay mety ihany koa, tsy momba ny atsy na ny aroa izahay hoy i Annick Ratsiraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.