Herintaona katroka ny alatsinainy 28 martsa lasa teo no nahalasan’ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka, ary herintaona katroka omaly 29 martsa kosa ny nanitrihana azy.
Izy no Filoham-pirenena nitondra an’i Madagasikara ela indrindra izay nahatratra 21 taona raha atambatra. Nomarihina tamin’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe omaly 29 martsa, izay nifanojo sy nifameno amin’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947. Nisy noho izany ny fampiratiana momba ny tolon’ny 1947 sy ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka omaly teny Ampahibe, narahina fanaterana fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ny Mahery fo Andrainarivo. “Niaro ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena izy. Tsy maintsy tsarovana foana ny daty tahaka izao, ary ny namanay avy ao Afrika Atsimo aza dia milaza fa tsy tokony hataonareo mahamenatra ny tolona tamin’ny 29 martsa 1947 satria io no nahalavoan’ny Malagasy maro tamin’ny fitakiana ny fahaleovantena”, hoy Rtoa Annick Ratsiraka nasionalin’ny Arema. Natao ho andro hijoroana satria tena manamarika ny tolona ho an’ny tanindrazana, ka ataonay tahaka ny maotera ny nahafaty ny Filoha mpanorina ny Arema satria betsaka ny zavatra nitolomany sy nitsanganany, ataonay ho tahaka ny fanomezana hery anay ny nahafatesany toy ny manao hoe: ataovy mafimafy kokoa ny hakazakazaka satria tsy tokony handohalika i Madagasikara, ary mbola mitolona ny amin’izay ny Antoko Arema”, hoy hatrany Ramatoa Anick Ratsiraka. Nilaza hanohy izay mbola tsy vitan’ny Amiraly io antoko io, ary nanamarika fa misy ny zanaka aman-janaka aman-jafy izay nampianarina ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahaleovan-tena ary ny fitovian-tsaranga. Nilaza moa Rtoa Annick Ratsiraka rehefa nanontaniana momba ny fiarahana na tsia amin’ny fitondrana ankehitriny fa “miara-dia amin’ny Arema ny Arema, miara-dia amin’ny vahoaka, miara-dia amin’ny tanindrazana, tsy momba ny atsy noho ny aroa, ary isan’ny zavatra nampianarin’ny Filoha Ratsiraka azy ireo izany”. “Misy ny antony nametrahan’ny Filoham-pirenena azy tao, fa tsy ny antoko Arema no nametraka azy tao anatin’ny Fitondrana”, hoy kosa izy raha nanontaniana eo anatrehan’ny maha mpikambana ao anaty governemanta an-dRtoa Sophie Ratsiraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.